Efa ho lava ! Nampanantena ny hanokafana tsy ho ela ny orinasa mpamokatra siramamy SUCOMA (Sucrerie de Complant de Madagascar) ao Analaiva
ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Chabani Nourdine raha nihaona tamin’ny mpiasa taloha tao izy ny zoma 9 septambra 2016 teo, tao Morondava. Fanintelony aminy izao ireo minisitra nanao fampanantenana ny hisokafan’io orinasa io hatramin’ny 2014 nahamaizany. Nidina tany an-toerana ary nampanantena ny hanarina faran’izay haingana ny Sucoma i Dr Jules Etienne, minisitry ny indostria tao amin’ny governemanta Kolo Roger, fotoana vitsy taorian’ny fahamaizana tamin’ny desambra 2014. Nanao io fampanantenana io ihany koa ny minisitry ny indostria sy ny varotra Rafidimanana Narson, tamin’ny governemanta Ravelonarivo Jean, dia izao indray ny minisitra Chabani Nourdine. Ny eo ihany no aloha eo, zava-doza aza dia vao mainka mihapotika ny orinasa. Raha tombanana ho 45% ny fahavoazana tamin’ny 2014, dia tafakatra 75%-80% izany ankehitriny amin’ny afitsok’ireo mpangalatra vy, nefa misy mpiambina ity toerana ity. Ny ain’ny orinasa mihitsy no voakitika ankehitriny. Ny ampitson’ny fihaonan’ny minisitra Chabani Nourdine tamin’ny mpiasa aza dia may ny alam-pary. Tsy mihambahamba ny mpiasa manondro ny mpitondra ao Menabe ho tompon’antoka amin’ny fahapotehan’ity hany orinasam-panjakana misy ao Menabe ity, noho ny tsy fandraisan’andraikitra amin’ny fiarovana azy.
Orinasa tantanan’ny Sinoa ny SUCOMA. Nikatona tamin’ny desambra 2014 izy io, taorian’ny grevy lavareny nataon’ny mpiasa nitaky ny hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo, grevy izay niafara tamin’ny rotaka nahafatesana ain’olona dimy sy nahamaizan’ny ampahany maro tamin’ny fotodrafitrasa sy ny fitaovan’ny orinasa. Narahina fandrobana ireo tahirin-tsiramamy tao izany. Naneho ny mbola fahavononany hamerina hanodina ny orinasa ny Sinoa, mody nandefa iraka tany Morondava ny Fanjakana, fa dia ny teo ihany no teo. Misy fiantraikany ara-toekarena amin’iny faritra Menabe iny anefa ny fikatonan’ity orinasa ity. Ankoatra ny tsy an’asa an’arivony miaraka amin’ny mpamboly fary, dia saika niankina tamin’ny fitaovan’ny Sucoma ihany koa ny fikojana ny lakandranon’i Dabara, indrindra amin’ny fanalana fasika. Manginy fotsiny ny fatiantoky ny Fanjakana amin’ny hetra sy haba tokony hiditra. Jerem-potsiny avokoa anefa izany ankehitriny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.