Nivoitra io tamin’ny fihaonan’ny fikambanana ASTAFIM na ny « Asan’ny Tanora ho Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara » tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona,
Honoré Rakotomanana, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely, ny alatsinainy teo. Nanambara Ramamonjisoa Fulgence filoha nasionalin’ny ASTAFIM fa maro amin’izy ireo no tsy mbola nisitraka ny fanampiana tokony homen’ny fanjakana azy ireo hoentina hampandrosoana ny faritra misy azy avy. Marihina fa misy 53 ireo ben’ny tanàna mpikambana ao. Nomarihan’Atoa Honoré Rakotomanana tamin’ny fihaonan’ny roa tonta ny maha zava-dehibe ny fanatanterahana ny ilain’ny mponina ifotony mba hampisy marina ny fampandrosoana maharitra sy mirindra eto amin’ny firenena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.