Fahombiazana tanteraka no azon’ny orinasa STAR sy ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga nandritra ilay hetsika « Star tour » notanterahina tany an-toerana ny herinandro lasa teo.
Nahatratra 20.000 ireo olona tonga nanotrona ny hetsika sy nankafy ireo karazana zava-pisotro vokarin’ny Star toy ny mpianakavy, ny mpinamana, ny mpifankatia…. Ankoatra ny fanentanana niarahana tamin’ireo Dj maro samihafa sy ireo mpanakanto nanana ny lazany dia nisy ihany koa ny fifaninanana nandihy. Notolorana taratasim-bola 200.000 Ar ireo nahazo ny laharana voalohany raha 100.000 Ar sy 50.000 Ar ny an’ny faharoa sy ny fahatelo. Ho an’ny fifaninanana hatsaran-tarehy kosa indray dia norombahin’Andrianaly Hasina Princess Sansdrie ny amboara. Taratasim-bola mitentina 150.000 Ar no natolotra azy, 100.000 Ar ny faharoa raha 50.000 Ar ny fahatelo. Tsiahivina Nizotra tamim-pilaminana ny hetsika tamin’ny ankapobeny. Nahazo ny anjara sahaza azy ny ankizy madinika sy ny lehibe. Nofaranan’ny orinasa tamin’ny asa fanadiovana ny tanàna ny hetsika ny alatsinainy lasa teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.