Nanamora ny fifandraisany amin’ny rehetra ny vondrona Star. Lohalaharana amin’izany ny fanomezana tombony ireo tanora maniry ny hiara-kiasa aminy manokana.
Nandritra ny fampahafantaran’izy ireo ny fisokafan’ilay tranonkalam-pifandraisana iray vaovao hivondronan’ireo sampana rehetra misy ao aminy no nahafantarana izany omaly (www.groupe-star.com) teny Andraharo. Ho hita ao anatin’io tranonkalam-pifandraisana io avokoa, hoy i Anthony Chan Kang Loi, tompon’andraikitry ny multimédia eo anivon’ny vondrona ireo karazana toerana hitadiavana olona hiasa eo anivon’ny vondrona, ny mombamomba ilay mpiasa tadiavina…Toraka izany koa ny asa sosialy hiandraiketan’izy ireo, ny fiaraha-miasany amin’ny tantsaha, ny fanampiana ireo olona maniry ny hivarotra zava-pisotro Star ka mila fanampiana manokana, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao. Ho hita ao anatin’io tranonkalam-pifandraisana io ihany koa ny fikarakarana ireo zava-pisotro rehetra vokarin’ny vondrona manomboka any amin’ny fandraisana ny vokatry ny tantsaha ka hatrany amin’ny fanaparitahana azy eny anivon’ny mpivarotra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.