Notanterahina tao Ambatofitorahana, distrikan’Ambositra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza (SSME) ho an’ny faritra Amoron’i
Mania sy ny distrikan’Ambositra. Fanomezana vaksiny ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona sy ny reny bevohoka maimaimpoana mandritra ny 5 andro ity hetsika ity. Andiany faha-17 izao hetsika izao ka fihodinana faharoa tamin’ity taona 2014 ity. Faritra mbola betsaka olona mazoto manaraka ny hetsika toy izao ny ao Amoron’i Mania. Nitarika ny hetsika tany Ambatofitorahana ny alatsinainy 27 oktobra teo ny talem-paritry ny fahasalamana ao Amoron’i Mania sy lehiben’ny fari-piadidiam-pahasalamana ao Ambositra niaraka tamin’ny manampahefana tao amin’ny faritra, distrika ary ny ben’ny tanàna Ambatofitorahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.