Nanitatra ny fotodrafitrasa handraisany ireo olona sahirana ara-pivelomana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fikambanam-behivavy Soroptimist International Club Antananarivo Doyen. Notokanana omaly ny trano vaovao fanampin’ny “Maison de la Femme ” etsy amin’ny 67ha atsimo.
Raha ny fanazavan-dRabenarivo Mamy, filohan’ny fikambanana dia tohin’ny fanaovan-tsonia fanomezana fanampiana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy izay notanterahana tamin’ny 7 desambra 2014 izao fananganana trano vaovao izao. Mitentina 96.598.297.20Ar no lany tamin’ny fanamboarana misy rihina iray, ahitana efitrano mihoatra ny folo. Nandray anjara betsaka tamin’ny tolo-tanana ny Japoney izay tarihin’ny Ambasadaoro Ryuhei Hosoya, masoivoho Japoney miasa eto amintsika. Ahitana efitra fitsaboana nify, efitra fanaraha-maso ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, efitra fanjairana, trano fanaovana kaonferansa ary trano fisakafoanan’ny zaza ity fotodrafitrasa ity. Nomarihin’izy ireo moa fa 2.000 Ar monja no mitsabo tena ao amin’ny foibeny vaovao ity ary afaka mahazo izany avokoa ny rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.