Niteraka fahasorenana ho an’ny mponina tao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo ny fahitana ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano tamin’ireo fokontany 26 tao an-toerana
. Tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny fahatapahan’ny rano satria dia naharitra adiny telo isan’andro teo izany raha efa mahazatra ny mponina ny tsy fahitana jiro matetika. Tsy nisy ny fampilazana ny fahatapahan’ny rano sy ny jiro miaraka ity tamin’ny farany herinandro teo fa rehefa samy tsy misy ireo vao sanganehana ny mponina. Tsy hitan’ny vahoaka intsony ny atao mikasika ity delestazy lavareny ity. Maro mantsy ny milaza fa mety hiafara amin’ny korontana izy io raha tsy misy ny fandrasain’ny fanjakana ny famahana ny olana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.