Nihaona tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly, ny solontena maharitry ny Vondrona Afrikanina eto Madagasikara Rtoa Hawa Ahmad Youssouf.
Fihaonan’ny roa tonta fanindroany io hatramin’ny nitsanganan’ity Antenimierandoholona vaovao ity. Nahatsapa Rtoa Hawa Ahmad Youssouf fa andraikitra goavana no sahanin’ny Antenimierandoholona Malagasy. Nisy ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny toe-draharaha politika sy ny lafiny fandriampahalemana eto Madagasikara. Ny 5 hatramin’ny 10 septambra dia hisy indray ny Atrikasa ho fanatsarana ny filaminana eto amintsika ho tohin’ny fivoriana natao tamin’ny taon-dasa. Te hahafantatra bebe kokoa ny dingana vita momba ny «Fampihavanam-pirenena » natao teto Madagasikara sy ny Volavolan-dalàna mahakasika izany ihany koa ny Vondrona Afrikanina. Nanambara Rtoa Hawa Ahmad Youssouf fa vonona ny Vondrona Afrikanina hanampy sy hanohana ny asa sahanin’ny Antenimierandoholona mba hisian’ny Fampandrosoana maharitra, mifandanja ary mirindra eto amin’ny Firenena. Notsindriany manonkana fa ny andraikitra lehibe tanan’ny Antenimierandoholona ny maha Andrimpanjakana antoky ny fahamarinan-toeran’ny Fanjakana azy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.