Actualités

Solontena maharitry ny PNUD I Marie Diamond no hisolo an’i Violette Kakyomya


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Omaly zoma 22 febroary no nanolotra ny taratasy manendry azy ho solontena maharitry ny sampandraharahan’ny firenena mikambana mikasika ny fampandrosoana na ny PNUD

 

 eto Madagasikara tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina ny Masoivohon’ny PNUD vaovao Rtoa Marie Diamond, izay teratany Américano-Allemande. Izy izany no hisolo ny toeran’i Violette Kakyomya. Nanamafy ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny PNUD amin’ny vahoaka Malagasy ny tenany, izay marihina fa efa tamin’ny volana janoary 2016 no tonga teto ary efa nitana ny andraikitra solontena maharitra lefitry ny PNUD nisahana ny lafiny progarama. Izy no mpanara-maso ny tetikasa momba ny fampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana, ny fampihenana ny fahantrana, ny fiarovana ny tontolo iainana. Izy no notendren’ny mpandrindra ny PNUD Achim Steiner ho solontena maharitra noho ny fandaminana ara-drafitra ny rafitry ny Firenena Mikambana dia ny fisarahan’ny fisoloana tena ny PNUD sy ny Birao mandritra ny rafitry ny Firenena Mikambana. 

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT