Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Solontena maharitry ny firenana mikambana momba ny tahiry ho an’ny mponina (FNUAP) eto Madagasikara Mamadou Dicko, ka nisy ny fitsidihana fanaovam-beloma ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier nataony teny Mahazoarivo omaly.
Nandritra izany no nampisaloran’ny Fanjakana Malgasy tamin’ny alalan’ny Praiminisitra an’i Mamadou Dicko ny mariboninahitra « Officier de L’ordre National », ary nankasitraka ny fiaraha-miasa teo amin’ity solontenan’ny FNUAP sy maniry ny mbola hitohizan’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’izay handimby azy ny fanjakana Malagasy. Naharitra 2 taona sy 3 volana ny asan’io tompon’andraikitra io, ka naneho fisaorana an’i Madagasikara noho ny firoboroboan’ny tetikasa, izay nahitam-pahombiazana tao anatin’ny taona vitsy ity tompon’andraikitra ity. Isan’ny asa manan-danja nataony teto Madagasikara ny fanohanana ara-teknika sy ara-pitaoavana nenti-nanatontosa ny fanisam-bahoaka. Tontosa ny taona 2016 ny fanisam-bahoaka, ary ny sarin-tany mifandraika amin’ny amin’ny fanisam-bahoaka kosa dia hanomboka ny volana may, ary hisy ihany koa ny fanisana manaraka mifandraika amin’izany ny oktobra 2017. Mikasika ny fahasalamana dia vehivavy manodidina ny 2000 no voatsabo tamin’ny aretina mamany lava teo anelanelan'ny 2015 sy 2016 ary mpitsabo Malagasy maro nahavita fiofanana, ka afaka hanohy ny asa fitsaboana sy fandidiana momba ireo aretina mahazatra. Voavolavola ihany koa ny politikam-pirenena momba ny tanora, izay teo ambany fitarihan’ny lehiben’ny governemanta, ary an-dalam-panantanterahana ny fampiharana izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.