7,5 % ny salan’isan’ireo olona manana fahasembanana eto Madagasikara ka ny 2,8 % amin’ireo dia manana fahasembanana ara-batana avokoa. Tsy vitsy, araka izany, ireo mitady hevitra mba hahatonga azy ireny tsy ho vesatry ny fiarahamonina ka mampiasa ny solon-tongotra
. Mbola fikambanana iray ihany no manao azy io eto Antananarivo dia ny ATOM ( Association des techniciens orthoprothesistes de Madagascar) izay tarihin’ny filohany Randrianasolo Norbert. Ao amin’ny centre d’apparaillage etsy Tsaralalana no misy azy ireo, raha miisa valo kosa manerana ny Nosy. Manomboka amin’ny 3.000 Ar no hanaovany izany hatramin’ny 200.000 Ar miankina amin’ilay olona sy ny filana tadiaviny. Na izany aza anefa raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny ATOM dia mbola vitsy ireo manao izany eto amintsika noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Manao antso avo amin’ireo malala-tanana, araka izany, ny ATOM mba hanolo-tanana azy ireo amin’ny fividianana fitaovana…entina hanampiana ireo manana fahasembanana. Miisa 67 moa ireo manampahaizana manokana momba ity solon-tongotra ity eto amintsika, misahana vahoaka manodidina ny 660.000. Mbola ankoatra io isa farany io ireo tratry ny lozam-pifamoivoizana…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.