Malaina hanao fanambaram-pananana ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza. Raha ny fantatra dia vao roa amin’ireo olom-boafidy ireo ihany no nanao ny fanambaram-pananany teny amin’ny HCC
. Raha ny efa voafaritra anefa dia tsy maintsy manao avokoa ny olom-boafidy rehetra eto amin’ny firenena. Efa misy rahateo ny lalàna mamaritra azy io. Etsy an-kilany ireo depiote dia milaza fa tsy voatery izy ireo. Misy mihitsy aza ny milaza fa hiray hina izy ireo ka rehefa vonona ny rehetra izay vao hiaraka hirona. Mipetraka ny fanontaniana ho an’ny tsirairay : f’angaha moa izany dia misy fananana hiombonana eo amin’ireo solombavambahoaka no hiara-kirona tahaka izany ? Tsotra ny azo handikan’ny mpifidy ny fihetsiky ireo depiote ireo, malaina ary tsy te hanambara ny fananany ampahibemaso izy ireo satria sao dia tratra eo ny nafenina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.