Tsy fantatra intsony izay tena marina fa maro ny toby fivarotan-tsolika tsy nanana solika teto Antananarivo tamin’iny faran’ny herinandro iny. Tsy vao izao io fa matetika tato ho ato.
Ny olana koa dia tsy misy serasera mazava fa toa takontakonana dia lazaina foana hoe milamina, kanefa taorian'iny fampidinana vidin-tsolika noteren’ny filoha Rajoelina iny dia nanomboka nisy olana ny fitaterana ny solika ary tsy ny eto Antananarivo ihany fa ny any amin’ny faritra indrindra indrindra. Hafahafa ny toe-javatra hoe inona marina izany no antony ? Akaiky ny faran’ny volana, izay matetika eo no hisian’ny fiovam-bidin’ny solika. Ahiana hiakatra io, ka manomboka taitairina ny sain’ny olona hiomana amin’izany. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia nisy fiantraikany be tamin’ny vidin-tsolika ny daroka nahazo ny toeram-pamokarana soliky ny Aramco tany Arabia Saodita tamin’ny alalan’ny « drône » ny 14 septmbra teo, ka nisy fiakarany hatrany amin’ny 15% ny vidiny teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Voatery nampidina ny famokarana sy fanondrana ny Saodianina mpamokatra solika voalohany eto ambonin’ny tany, ka misy fahabangana 5,7 tapitrisa barila isan’andro tamin’izany, izay nanome ny 6% amin’ny fandaniana manerana izao tontolo izao. Nisy fiantraikany maneran-tany io ary hatramin’ny firenen-dehibe tahaka an’I Etazonia sy Chine aza voa. Mazava ho azy fa mety hipaka aty amintsika. Matetika aza miteraka fanararaotana aty amintsika izany hoe: vao miakatra ny any am-potony dia manaraka amin’izany ny eto andro vitsy aorian’izay. Isam-bolana ny sambo mamatsy solika, ary nisy fahatarany kely ny sambo, hoy ny Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny Akoran’afo (OMH) Atoa Laurent Rajaonarivelo, izany hoe izao izany vao tonga aty ny solika novidiana tamin’ilay fisiana tranga iraisam-pirenena izay ambony ny mason-karena. “Nisy ny feo nandeha fa tsy hisy solika teto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo. Nandrisika ny mpanjifa haka solika bebe kokoa noho ny filana isan’andro izany. Izay no nahatonga ny tobin-tsolika maromaro tsy nisy tahirin-tsolika. Nanomboka omaly ihany, dia nisy ny kamio citerne namatsy ireny. Ampy ny tahiry raha ohatra ka tsy misy filana be loatra mihoatra ny tokony ho izy ho an’ireo mpampiasa fiara. Ampy ny tahiry mandra-pahatonga ny sambo mamatsy izay tonga isam-bolana. Nisy fahatarana kely io sambo io, fa ny tahiry dia ampy mandra-pahatongan’io sambo”, hoy ny Tale jeneralin’ny OMH Atoa omaly hariva. Tato ho ato fa tsy vao izao dia tsikaritra ny tranga tsy fahampiana io, saingy tsy hisy tompon’andraikitra hilaza izany fa misy tsy milamina mba tsy hampikoropaka ny olona. Maromaro ny tanàn-dehibe no tsy misy solika, hoy ny mpanjifa. Raha ampy ny tahiry sy ny fitsinjarana azy na hanao “plein” avokoa aza ny vahoaka dia tokony hirindra izany. Angaha ferana tsy hahazo hanao izany ny mpanjifa ? Ahiana ho efa fanomanan-tsaina amboariana izao !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.