Actualités

Solika ao Tsimiroro Hamaha ny olan’ny Jirama


  • Sabotsy 17 Septambra 2016

Azo avadika tsara ho solika fampiasa amin’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara ny « huile lourde » trandrahana ao Tsimiroro, raha ny fanazavan’i John Claussen, filoha tale jeneralin’ny Madagascar Oil, ary azo avadika ho solika fampiasa amina milina hafa anaty ozinina ihany koa izy io

. Hita tao amin’ilay fandaharan’ny euronews mitondra ny lohateny hoe Target Madagascar nivoaka ny alakamisy 15 septambra lasa teo izany. Efa mahatratra 160 000 barila ny tahirina menaka mavesatra ao Tsimiroro amin’izao, izany hoe efa maherin’ny 25 tapitrisa litatra satria manodidina ny 159 litatra ny barila iray. Tombanana ho 2 miliara barila ny tahirin-tsolika ao Tsimiroro, araka ny fanadihadiana natao. Mahagaga anefa fa tsy mety tanteraka io famatsiana « huile lourde » ny Jirama io hatramin’izao. Lany vola mividy gazoala lafo any amin’ireo kaompania vahiny hatrany ny Jirama hampihodinana ireo gropy maro be manerana ny nosy ka izay no anisan’ny mamono antoka azy. Vonona efa hatramin’ny 2014 anefa io « huile lourde » ao Tsimiroro io fa dia tsy nahazo na 1 litatra monja aza ny Jirama. Inona no antony ? Fanahy iniana nampitarazohana mihitsy ve ny fiaraha-miasan’ny Jirama sy ny Madagascar Oil amin’izay mahazo tombony hatrany ireo kaompania vahiny mpivarotra solika ? Tsy hamaha 100% ny olan’ny Jirama ny fampiasana ity solika avy ao Tsimiroro ity fa kosa efa tena hampihena ny fatiantoka sy ny vola lany ividianana gazoala. Mora vidy lavitra mantsy ny « huile lourde ».

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT