Vitsy ny mofo dipaina teny an-tsena, tsy nandeha ny radio sy ny televiziona, maizina tampoka ny hotely sy ny toeram-pisakafoanana.
Nanaitra ny mponina tao Fianarantsoa ireo trangan-javatra niseho tao amin’ny Sofia Hôtel Fianarantsoa tamin’iny herinandro iny. Taorian’ny nandalovan’ny Amiraly Didier Ratsiraka tao amin’ity hotely ity, nankalaza ny tsingerintaona faha-80 nahaterahany sy faha-40 taonan’ny antoko Arema tarihiny, no nitranga ny fanapahan-jiro, hany ka be no nanao fanamarihana hoe : misy ifandraisany tamin’io fandalovan’i Deba io ve io fanapahan’ny Jirama ny jiron’ny Sofia Hôtel io ? Ny zavatra tsapan’ny mponina dia nisy fiantraikany tamin’ny famatsiana mofo dipaina tao Fianarantsoa io jiro tapaka io. Manana milina mpihary herinaratra azy manokana ny hotely saingy tsy mahazaka ireo fitaovana miasa. Zara fa nisy mofo teny an-tsena, tsy naharaka ny filàn’ny mponina ireo mpanao mofo hafa misy ao Fianarantsoa. Nisy nanararaotra an’io tranga io aza ny mpivarotra sasany, ka nampakatra ho 350 Ariary ny vidin’ny mofo dipaina iray, raha 300 Ariary izany isan’andro. Fa ny nanaitra dia maizina tanteraka tao an-toerana ny sabotsy teo. Zara fa nandeha ihany koa ny Radio sy Televiziona Sofia tamin’iny herinandro iny. Orinasa manana ny lazany ao Fianarantsoa ny Sofia Hôtel, ary mampiasa mivantana olona maro ankoatra ireo mpamatsy entana azy. Famonoana ny mpandraharaha raha toa ka antony politika no nanakendana ny orinasa amin’ny fanapahana jiro toy izao, raha antony hafa toy ny faktiora tokony hefaina indray mantsy, dia tokony ho vitan’ny fifampiraharahana izany satria orinasa anisan’ny lehibe ao an-drenivohitr’i Fianarantsoa ny Sofia Hôtel.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.