Actualités

Soavinandriana Itasy Ben’ny tanŕna tratra nitondra toaka 100 litatra


  • Talata 08 Desambra 2015

Nanararaotra ny andro tsena tao Soavinandriana, mahavory ny olona rehefa alatsinainy ingahy Ben’ny tanŕna, no saika hampiditra an-tsokosoko toaka gasy.

 

 5 barika kely miaty 20 litatra avy no nasiana ireto zava-pisotro misy alikaola voararan’ny lalàna ireto. Nalefa taksiborosy roa samy hafa ny entana. Tafita ny telo fa ny roa taty aoriana no saron’ny polisy tamin’ny fisavana tamin’ny sakana teo ampidirana ny tanàna. Tovolahy iray no nampiarahana tamin’ny entana. Rehefa voaserin’ny polisy ilehio dia nibaradaka fa “an’ingahy meran’Ankaranana ireo” “bidon” feno toaka gasy ireo. Nampanantsoina avy any ambanivohitra ingahy mera. Efa diso fantatry ny mpitandro ny filaminana amin’io lalampihariana voararan’ny lalàna io izy, ary manana fatana fanamboarana toaka gasy, araka ny loharanom-baovao hatrany. Nahoraka tao an-tsena ity raharaha ity omaly. Nampandoavina onitra 1000Ar isaky ny litatra amin’ny toaka tratra ingahy mera, avy eo dorana ny entany.

Jean D.

Ragasy : Fampandrosoana inona no antenaina amin’izany Kaominina milomano amin’ny toaka gasy izany e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT