Araka ny vinan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana eo amin’ny fiarahamonina eto an-drenivohitra, izay “ soa iombonan’ny Malagasy”
dia nanao hetsika fandaminana sy fanadiovana ny avy ao amin’ny boriborintany fahatelo omaly alarobia 21 aogositra maraina, notarihan’ny delegen’ny boriborintany fahatelo Hery Razafintsalama . Nanomboka tetsy Soarano, nipaka teny amin’ny station Shell Behoririka no toerana nodiovina. Nisy ny fandaminana tamin’ny alalan’ny fanakisahana sy fanesorana ireo mpivarotra izay miditra anaty arabe, ny fanentanana azy ireo mba hiakatra ambony “troittoir” ary manome lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny fanesorana ireo fiara sy sarety mibahana amin’ny lalana. Teo koa ny fampahafantarana ireo “Magasin” lehibe sinoa tetsy Behoririka amin’ireo fanalana ny entany mibahana ety ivelany sy ny hampidirany azy anaty trano. Tena mafy sy mampiteny ny moana ny fitohanana eo, ka nanapahana hevitra fa tsy azon’ny mpivarotra atao ihany koa ny mivarotra manoloana ny “station taxi” eo Behoririka satria efa faritra natokana ho an’ny azy ireo iny faritra iny. Nisy koa ny fanentanana an’ireo mpandeha an-tongotra mba tsy handeha anaty arabe. Tonga nanatanteraka ny asa teny an-toerana ny ekipan’ny tsenan’ny boriborintany fahatelo, ny polisy nasionaly, ny polisy monisipaly ary ny ekipan’ny “Intendance” avy ao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Hita teny an-toerana ihany koa ny solontenan’ny mpanolotsaina monisipalin’ny boriborintany sy ny tompon’andraikitry ny tsena ary ny delegen’ny mpivarotra. Izao asa izao dia nifanarahana teo amin’ny CUA sy ny polisy nasionaly mba ho fandaminana sy fampandrosoana ny tanàna.
Hisy ny fepetra ho an’ireo mpivarotra minia tsy manara-dalàna amin’ny fanesorana azy tanteraka tsy ho mpivarotra. Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia ny hampalalaka ny lalana ary hotazonina madio hatrany ny toerana. Tokony hadio ny sain’ny rehetra eo anatrehan’ny fandaminana tahaka izao, izay tsy tokony horaisina ho fananganam-pahavalo fa fanatsarana ny tanàna sy ny fiarahamonina. Mila mifanabe sy tonga saina ny rehetra ka hanaja ny lamina sy ny fitsipika mba tsy hanjakan’ny gaboraraka izay manaratsy endrika tanteraka ny renivohitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.