Actualités

Soanindrariny-Antsirabe II Nandravarava ny havandra


  • Zoma 21 Novambra 2014

Nandravarava sy nandripaka indray ny havandra ny alarobia 19 novambra lasa teo tany amin’ny kaominina Saonindrariny

.Tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro teo dia nirotsaka ny orana ary narahana havandra sy Tafiotra izany. Raha ny nambaran’ny mponina tany an-toerana dia sady somary vaventy no natevina ilay havandra ka namotika zavatra maro, anisan’izany ny paoma sy ny paiso izay ao anatin’ny fotoana famelanany tanteraka ny akamaroany raha toa ka efa somary efa misy voany madinika kosa ny sasany. Rava tanteraka ny fanatenan’ny mponina tamin’ny vokatra paoma sy paiso tany an-toerana satria raha ny fahitan’izy ireo izany dia tokony ho tsara ny vokatra amin’io taom-piotazana io  saingy izao naripaky ny havandra izao indray. Ratsy fiandoha avokoa moa ny andro fahavaratra ho an’ny Distrikan’Antsirabe faharoa tato ho ato satria namely mafy ny varatra ary izao indray namely ihany koa ny havandra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT