Mitohy hatrany ny fandraisan’ny fikambanana HAFARI Malagasy an-tanana ilay tetikasa fifindra-monina ao Soaniedanana Ankazobe PK 67 amin’izao fotoana na dia mbola mamita sazy any am-ponja aza ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Araka ny loharanom-baovao azo dia hosokafana amim-pomba ofisialy ny 3 jona ho avy izao ny tsena ao an-toerana izay natao indrindra hanalana fahasahiranana ireo mponina ao Soaniedanana sy ireo mpifindra monina marobe ao an-toerana. Hiragasy goavambe hifanandrinan’ny tarika Raedson Ambohitrambany sy Randriamboavonjy Arsena Antenarivo no hisantarana ny lanonana, hanasana ny rehetra. Tsy mitsaha-mitombo ny trano mitsangana ao Soaniedanana ankehitriny. Miroborobo ihany koa ny fanamboarana kara-tany ho azy ireo izay marihina fa efa manorim-ponenana ao Soaniedanana ny ankamaroany. Miantso ny mpikambana mba hifanotrona, araka izany, ny fikambanana HAFARI Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.