Tian’ny mpamaky fasana ny kaominina Ambohijanaka. Nitrangana vaky fasana indray teny amin’ny fokontany Soanavela, ao anatin’ity kaominina tamin’ny sabotsy maraina teo
Fasana iray lehibe no nisy namaky izay ahitana razana avy amina fianakaviana telo tonta. Lasan’ireo tsy mataho-tody avokoa ny ankamaroan’ny razana, nikorontana ambony ambany koa ny toerany. Anisan’ny tena nampitaraina ireo fianakaviana lasibatra ny tsy fahafahantarany ny havany intsony toy ilay razana vao nalevina herintaona lasa izay. Araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana Atoa Rafalimanana dia efa fanin-telony tamin’izao no nisy vaky fasana tao amin’ny fokontany iadidiany koa hanaovany antso avo amin’ny tompon’andraikitra. Olona sendra nandalo no nahita ilay fasana vaky ka nampandre azy ary ity farany indray no nampandre ny fianakaviana. Fanimbazimbana ny kolontsaina Malagasy mihitsy moa ity vaky fasana ity, raha araka ny fanehoan-kevitr’ireo raiamandrenibe eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.