Actualités

Soanatao – Ikalamavony Miverina indray ny asan-dahalo mahery vaika


  • Alatsinainy 15 Febroary 2016

Notafihin’ny dahalo am-polony ny tanŕnan'i Soanatao, Fokontany Fotadalina,

 

7km atsimon'ny renivohitry ny distrikan'Ikalamavony ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 14 febroary 2016, tokony ho tamin’ny 1ora maraina. Tonga an-tsokosoko ireto dahalo marobe nirongo basy mahery vaika ireto ary namaha ny vala nisy ny ombin'ireo Fokonolona izay mitambatra vala iray ao anatin'io tanàna io satria ity vala be ity no mba sisa fanantenana hiarovana ny omby manoloana ny trangan-javatra toy izao.

Nony naheno anefa ny mpiambina ny omby dia raikitra ny fifanjevoana ary naharitra minitra maro. Vokany, olona iray avy tamin’ny Fokonolona no maty tsy tra-drano voatifitr'ireto dahalo ary omby maherin'ny 60 isa no lasa.

Nihazo an'ilay kizo malaza fieren'ny dahalo any Magnody ireo dahalo. I Magnody izay toerana mangina kijanan'omby no tsy dia misy olona mipetraka ary toerana manahirana satria ao ny dahalo no miandry ny mpanara-dia ka rehefa hitany fa tsy ampiampy ny Fokonolona manara-dia dia andrasany.

Raha mitohy ny diany dia mety handalo ny iray amin’ireo Kaominina manodidina an’i Magnody ny lalan’ireo omby sy ny dahalo dia i Mangidy, Anjoma Itsara, Fanjakana, Famoriana sy ireo Kaominina andrefan'Ambohimahasoa ary ireo atsimon'Ambatofinandrahana.

Tsy milamina indray Ikalamavony ary mampametra-panontaniana hoe aiza no sisa hiafaran'ny tantsaha madinika raha izao no mitohy ? Miantso ny mpitondra voakasika mba hijery akaiky ity raharaha manahirana ity.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT