Actualités

Soamahamanina, Manakara, Ambilobe ... Hanara-dia ny “Wisco”


  • Sabotsy 24 Septambra 2016

Misavorovoro any amin’ireo faritra misy harena ankibon’ny tany trandrahan’ny Sinoa.

Ny zavatra itovizany dia efa tonga ny mpitrandraka vao samy taitra ny rehetra. Mitroatra, manohitra fa tsy nifampierana tamin’ny fokonolona ifotony misy ny harena ny fahatongavan’izy ireo, nefa toa tsy afa-manoatra. Ny Fanjakana mihitsy no miaro ireo vahiny, mandefa mpitandro ny filaminana fa mpampiasa vola vahiny, hono, ireny. Moa va tsy mampahatsiaro ny tamin’ny tetezamita ny tranga misy ankehitriny ? Efa vita tany ambadibadika tany ny fifanarahana tamin’ny Sinoa nitrandraka ny vy ao Soalala, tamin’ny alalan’ny orinasa Wisco, vao samy gina ny rehetra. Vao mainka tankina rehefa nampilendalendana fa 100 tapitrisa dolara no miditra amin’i Madagasikara amin’io. Tsy hita soritra tany amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana anefa io, dia samy varimbariana tamin’ny fahitana ireo fotodrafitrasa manarapenitra ny rehetra, dia izay ! Anisan’ny nikirakira an’iny Wisco iny ny mpitondra ankehitriny, dia io manao tantara mitohy io. Efa vita fifanarahana mangingina amin’ny Sinoa any ambadimbadika any ny fitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany amin’ny toerana maro eto Madagasikara, dia ny Malagasy no tompony mangataka atiny eo, amin’izay indray mbola hifamono anatiny eto.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT