Actualités

Soamahamanina Manafina zavatra hafahafa ny Sinoa ?


  • Zoma 07 Oktobra 2016

Na efa tamin’ny talata 4 oktobra hariva aza no voalaza fa nangorona ireo fitaovany ny sinoa dia mbola mametraka ahiahy be ny zava-misy ankehitriny ao Soamahamanina.

Mandeha ny feo fa misy zavatra hafenin’ny Sinoa mafy ao an-toerana ary toa mampitombona izany ny saika tsy namelana ny mpanao gazety hiditra tao amin’ny toerana fitrandrahana omaly. Navela niditra ihany ny solonten’ny mpanao gazety kanefa maro ny toerana sy zavatra tsy navela nojerena toy ny tranolay maromaro izay tsy fantatra marina izay tena ao anatiny fa ny hany fantatra dia tsyao  intsony ireo milina goavana na « engins » izay tsy fantatra na aiza na aiza no nasiana azy. Mandeha ny resaka fa mety misy zavatra hafahafa ajanon’ny Sinoa izay tsy fantatra na inona na inona ao an-toerana. Maro anefa ny manombana fa mety fitaovana mety hitera-doza toy ny baomba, akora simika mety hahafaty izany.Nandritra ny fitokonana nataon’ny mponina talohan’ny omaly no efa nahenoana resaka fa misy vovoka mampiahiahy toa misy akora simika mety hampidi-doza tany an-toerana. Tsy hay intsony na te hamaly faty ny Sinoa na ahiahy diso toerana ny an’ny rehetra momba izao zava-misy izao. Mbola mitohy ny fitakian’ny mponina dia ny hamoahana tsy misy fepetra ireo namana sy ny hanaovan’ny fanjakana fanambarana ofisialy ampahibemaso ny nisintonana ny fahazoan-dalàna mitrandraka teo am-pelantanan’ny Sinoa. Tsy hisy intsony moa ny hetsika any Soamahamanina amin’ny herinandro fa nilaza ny hiakatra eto Antananarivo hanohy ny tolna ireo mponina avy any an-toerana.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT