Mbola mitana ny sain’ny maro ny resaka Soamahamanina, indrindra taorian’ny fifandonan’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka mpanao fihetsiketsehana ny alakamisy 29 septambra lasa teo.
Nitondra ny heviny mahakasika iny tranga iny ny solombavambahoaka TIM Rakotomanjato Rodin, zanak’iny faritra voakasiky ny fitrandrahana iny, omaly. Manameloka tanteraka ny herisetra nampiharina tamin’ny vahoaka miaro ny tanindrazany ity olom-boafidy ity ka velom-panontaniana hoe nahoana no vonoina ny vahoaka ? Haripaka ve ny Gasy ? Tsy nisalasala ny tenany nanambara fa tsy misy fampandrosoana ataon’ny Sinoa any Soamahamanina. Tsy mitana ny teny nomeny ihany koa ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny kabary nataony nandritra ny Kaonferansa momba ny Fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro (COP 21) andiany faha-21 natao tany Frantsa ny volana desambra 2015, raha ny fanehoan-kevitr’ity olom-boafidy ity ihany. Raha tsiahivina, nahatratra 107 ny Delegasionina Malagasy ary nilokaloka ny filoham-pirenena tamin’ny kabary nataony teo anatrehan’izao tontolo izao fa hiaro ny tontolo iainana. Tsy izay anefa no zava-misy ankehitriny. Tsy misy re feo ary tsy misy mijoro hiaro izao endri-panapotehana ny tontolo iainana izao, indrindra ny alan-tapia izay an-jatony taona vao maniry, ireo olona marobe nandaniana vola tany Frantsa efa nahabe resaka nandritra ny COP21 fa nitsangantsangana fotsiny ary toa manaporofo izany izao zava-misy izao. Hatramin’ny soatoavina no potika amin’ity ataon’ny Sinoa ao Soamahamanina ity, hoy Rakotomanjato Rodin, ka ajanony ! Potika ny fiveloman’ny tantsaha.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.