Miakatra ny maripana eny Soamahamanina. Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatak’andro an’i Robson Pierre sy Andrianony Tsihoarana,
mpitaritolona nosamborin’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny hetsi-panoheran’ny mponina ny fitrandrahana ataon’ny Sinoa eny an-toerana, tamin’ny 22 septambra 2016 ary tazomina am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Hisy hetsika eny Soamahamanina anio, nanao fanambarana fa hanatevin-daharana ny tolon’ny mponina eny an-toerana ny mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny Hetsika ho an’ny fahalalahana maneho hevitra. Omaly dia fantatra fa nisy ny fivoriana fanomanana nataon’ny mponina momba ny hetsi-pitakiana hataon’izy ireo anio.
Vy very ny aina
Nilaza ny mpandray anjara fa efa latsaka teny Soamahamanina ny ran’izy ireo, ka na hamoizana aina aza tsy hihemotra izy ireo fa vonona hanao vy very ny aina amin’ny fiarovana ny tanindrazany tsy hoviraviraina izy ireo. Hatry ny omaly hariva ihany koa dia mpitandro ny filaminana maro no efa miatrana eny Soamahamanina. Ahiana ny hisian’ny fifandonana mahery vaika anio. Nangoron’entana moa ny Sinoa nanomboka ny talata teo, fandaminana no antony raha ny fanazavan’ny minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny harena ankibon’ny tany Zafilahy Ying Vah. Omaly tolakandro, ny Tonian’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, Razafimelisoa Odette Balisama no nitondra fanazavana fohy tamin’ny mpanao gazety mikasika ity raharaha Soamahamanina ity, ka nilazany fa « mahefa mitsara ity raharaha ity ny tribonaly Antananarivo » araka ny didy in-droa miantoana, ny 23 septambra 2016 sy 3 oktobra 2016, navoakan’ny Fitsarana tampony noho ny fisintahan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Miarinarivo. Nambarany koa fa « tsy mponina eny Soamahamanina ny sasany amin’ireo voampanga » amin’ity raharaha ity, ary notsipihiny fa « nisy fandikan-dalàna vitan’izy ireo », na tsy nambarany mazava aza inona izany, ka izay no anton’ny fitazomana ireo voampanga, ary « hiakatra fitsarana ireo » na tsy mbola voafaritra aza aloha hatreto ny datim-pitsarana. Nampahafantariny koa fa « misy mponina nanao fifanarahana fivarotana tany tamin’ny Sinoa, ary miandry ny fanatanterahana ny tetikasa fitrandrahana eny Soamahamanina ».
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.