Efa mahatratra 50.000 ny isan’ireo zazavavy mpikambana ao anatin’ny fikambanana Skoto zazavavy eto Madagasikara
amin’izao fotoana, miisa folo tapitrisa izy ireo maneran-tany. Sampana iray natao hitaizana sy hampivoarana ny zazavavy izy io manoloana ny fandraisan’andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fahasahiana miseho imasom-bahoaka mampiseho ny talenta. Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny fifampahatsiarovana izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Tetsy Antsahamanitra no nanatanterahany ny lanonana mifandraika amin’izany izay nahavory mpikambana marobe tokoa. “Se connecter” no lohahevitra novelabelarina. Fanomezan-kasina ny ankizivavy sy ny tovovavy rehetra kosa no lohahevitra hiraisain’ny mpikambana rehetra amin’ity taona 2016 ity. Hetsika maro no nentina nanamarihana ny fankalazana, toy ny fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra mpahazo ny vehivavy, ny fitondran-tena mendrika eny anivon’ny fiarahamonina … Manampy betsaka ny tanora zazavavy tokoa moa ny fisian’ny fikambanana tahaka izao hisorohana azy tsy hanaotao foana sy hanan-danja eny anivon’ny fiarahamonina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.