Taorian’ny fandrobana ny orinasa Sucoma dia fantatra izao fa amidy dimy arivo Ariary ny lasakan-tsiramamy iray amin’ny 50 kilao any Morondava. Araka izany dia miparitaka any an-toerana ny varotra an-tsokosoko ireto siramamy voaroba ireto
Raha ny vaovao voaray aza dia efa tafavoaka ivelan’ny tanànan’i Morondava ireto vokatra ireto ka efa ahitana izany ao Antsirabe. Misy mihitsy ny fiarabe voalaza fa mivezivezy mitatitra izany. Araka ny loharanom-baovao samihafa dia misy depiote voatonontonona ao ambadik’izany. Manoloana io dia nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo manampahefana any an-toerana, ka voalaza fa hosamborina avokoa ireo olona izay mividy na mivarotra ireto siramamy ireto. Tsiahivina mantsy fa dia an-taoniny maro ny siramamy voaroba tao amin’ny orinasa izay misanda amina miliara maromaro. Etsy an-kilany, manomboka mampiaka-peo ihany koa ireo Sinoa. Nambarany fa raha nisy ny fandraisana andraikitra matotra noraisin’ny fanjakana tsy nitranga ny tahaka ireny.
Nangonin’i Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.