May kila hotohoton’ny afo ny alin’ny talata hifoha ny alarobia ny orinasa Sirama ao Brickaville. Tamin’ny iray ora maraina tany no voalaza fa tsikaritry ny mpiambina ny fisian’ny afo niainga avy ao amin’ny birao ary dia tsy hay notohaina.
Nifarimbona namono ny afo mba tsy hiitatra ny Fokonolona rehefa nentanin’ny tao amin’ny Distrika, ny Kaominina ary ny zandary ao an-toerana. Nanampy ara-pitaovana ihany koa ny orinasa Colas, nandefa fiarabe mpitondra rano. Araka ny fitantaran’ny mpanao gazetin’ny Radio Nasionaly Malagasy any an-toerana dia mbola nisy olona niasa tao amin’ny birao ny talata alina, ary efa tamin’ny folo alina vao nirava. Nampidirin’ilay mpiasa tao amin’ny birao niasany ny gropy nampiasainy nandrehetana jiro nanazava ny birao. Mitentim-bidy hatrany amin’ny 450 tapitrisa Ariary ny zavatra may sy fitaovana simba. Antontan-taratasy maro mikasika ity orinasa Malagasy mpamokatra siramamy ity no nanjavona tao anatin’ny indray mipi-maso. Vao tsy ela akory anefa ny teo anivon’ny minisiteran’ny indostria sy ny orinasa madinika sy salantsalany ary ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina no nampanao fanadihadiana hijerena ny fomba hameloma-maso azy indray rehefa nandalo krizy taorian’ny taona 2008. Efa nivonona ny handray an-tanana ny fampihodinana ny Sirama Brickaville io ry zareo Sinoa, sady mikendry ilay velaran-tany 4000 nambolena fary ho akora tao. Lasa lavenona avokoa anefa ny mombamomba ny orinasa, ka eo no mampiahiahy ny maro. Mifamahofaho be ny resaka ankehitriny, indrindra eny anivon’ny samy andrim-panjakana. Nosokafana avy hatrany moa ny fanadihadiana ka dia ho fantatra miandalana eo ny anton’ity fahamaizana ity sy ny hoavin’ny orinasa sy ireo mpiasa maro nanantena ny hisokafany indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.