Raha efa naaton’ny fanjakana hatry ny ela ny sidina mivantana mampifandray amin’i Chine, dia mbola nisy Sinoa 38 tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato tonga tamin’ny sidin’ny Ethiopian Airlines omaly.
Heverina ho mpanamboatra ny kianja Barea etsy Mahamasina hanampy ireo efa eto izy ireo. Mihorohoro hatrany ny vahoaka noho i Chine loharano nipoiran’ny Coronavirus. Na efa somary voafehy aza ny coronavirus any Chine, dia izy ireo hatrany no mitana laharana be indrindra amin’ny olona maty, izay efa 3130, arahin’i Italie akaiky izay 2978 sahady hatramin’ny omaly.
Atao ahoana marina ?
Atoka-monina na atao “mise en quarantaine” ve ireo sinoa ireo? Azo antoka ve ny fahasalamany ? Raha tsia dia efa nifanosina tamina olona sy mpandeha hafa maro. Etsy ankilany, niparitaka tamin` ny tambajotra serasera tao anaty andro vitsivitsy lasa izay ny filazana fa mitondra tsimokaretina “coronavirus” ireo mpiasa sinoa miisa 17 mirahalahy handray anjara amin` ny fanatanterahana ny fanamboarana ny kianjan` ny BAREA etsy Mahamasina hatrany. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nanaraka ny fepetra napetrakin` ny fitondrana malagasy ireo sinoa hanampy isa ireo ary efa am-perinasa hanafaingana ny asa etsy amin` ny kianjan`i Mahamasina, raha ny fanazavana. Natoka-monina nandritra 14 andro izy ary efa tsy misy ahiana intsony fahasalaman` izy ireo taorian` ny fanaraha-maso ny tsirairay, raha ny fanomezan-toky. Nambara mantsy fa misy mpitsabo manara-maso isan’andro avy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana. Arahin’ny governemanta sinoa maso amin’ny alalan’ny “puce” amin’ny finday, ary nahazo alalana avy any vao afaka tonga teto Madagasikara. Vaovao tsy mitombina no naely entina handemena ny sain` ny olom-pirenena ny filazana fa mitondra ny tsimikaretina COVID-19, hoy ny tompon’andraikitry ny orinasa China State Construction Overseas Development (CSCOD). Nanamafy moa ny manam-pahefana Malagasy fa tsy ahitana trangana Coronavirus ireo sinoa etsy Mahamasina ary tomombana ara-pahasalamana izy ireo, ary antonony tsara ny maripanan’ireo sinoa 17, hoy ny fanazavana.
Haverina any amin’ny niaingany
Halina ihany dia nitety haino aman-jery sy nampita vaovao ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga ary nanambara fa averina any Addis Abeba izay toerana niangany sy nahatongavany teto Madagasikara ireo Sinoa miisa 38; izany no natao dia mba hampisinda ny ahiahy hoe sao dia ireto Sinoa vao tonga ireto sanatria no hampiditra ny Coronavirus eto Madagasikara.Tsy izahay mpitondra fanjakana mihitsy no hampidi-doza ny firenena hoy i Rinah Rakotomanga ka izay no nahatonga io fanapahan-kevitra io.Tsapa amin’ny zava-mitranga fa miasa ao anatin’ny fikoropahana ny fitondram-panjakana ary misafotofoto be ihany ny fomba fanapahan-kevitra.
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.