Natokana hanamarihana ny ady amin’ny otrikaretina SIDA (syndrome d'immunodéficience acquise) ny 1 desambra manerantany ary miatrika izany koa isika eto Madagasikara. Anisan’ireo aretina tsy mbola nahitana vaksiny sy fanafody fitsaboana mahomby hatramin’izao ny SIDA
Fitambaran’ny tranga famonoana ny sela amin’ny taova any anaty vatan’olombelona ny SIDA, any amin’ireo miantoka ny fiarovana ny vatan’olombelona mihitsy no tafihany, hany ka mihanjahanja tsy afa-miaro tena amin’ny ratra sy ny aretina intsony ilay olona voany, ka mora andairan’ny aretina hafa sy mandamaka avy hatrany. Efa misy ihany ny fanafody afaka misakana ny fiparitahan’ny valanaretina ao anatin’ny vatan’ilay olona voany saingy tsy manasitrana kosa anefa. Lafo dia lafo io fanafody io, indrindra ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana sy mahantra tahaka an’i Madagasikara. Tamin’ny 1981 no nanomboka niseho ny SIDA ary hatramin’izay ka hatramian’izao dia tombanan’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana fa manodidina ny 25 tapitrisa ny olona efa matiny maneran-tany. Betsaka lavitra io tarehimarika io raha oharina amin’ny isan’ny olona maty noho ny ady rehetra nisy teto ambonin’ny tany nanomboka tamin’ny taona 1900. Raha ny tarehimarika nivoaka farany dia 35 ny olona mitondra ny otrikaretina VIH SIDA na antsoina hoe « séropositifs » manerana izao tontolo izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.