Actualités

Serge Zafimahova “Misy kolikoly ao amin’ny Jirama”


  • Alakamisy 08 Septambra 2016

Mbola azo vahana tsara ny olan’ny delestazy eto raha ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafimahova.

Olana ny tsy fisian’ny vola hividianana solika eto kanefa misy ny solika mavesatra any Tsimiroro azo hamokarana ho angovo, ahafahana mampihena ny saran’ny herinaratra. Tsy nisalasala ity mpahay toekarena ity nilaza fa “misy kolikoly sy tsy fahaiza-mitantana ao anatin’ny Jirama”. Soso-keviny ny hananganana vaomiera manokana eo anivon’ity orinasam-panjakana ity. Io no hanara-maso sy hanampy amin’ny famelomana ny orinasa. Tokony hantsoina handrafitra izany ny mpanao gazety, fiarahamonim-pirenena ary ny manampahaizana momba ny fitantanana. Ny zava-misy amin’izao mantsy, hoy hatrany i Serge Zafimahova dia teren-ko masaka fotsiny ny fanapahan-kevitra raisina amin’ny orinasam-panjakana toy ny fampiakarana ny vidin-jiro sy ny mety ho fandroahana mpiasa manodidina ny 400 ao amin’ny orinasa Air Madagascar.

Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT