Actualités

Seraseran’ny prezidansa Niantso vonjy amin’ny Amerikanina


  • Talata 18 Novambra 2014

Vaky ny ady eo amin’ny Filoha Rajaonarimampianina sy ny Praiminisitra Kolo Roger amin’ity resaka ‘Dahalo miova fo ity’

. Nanaratsy endrika tanteraka ary mety tsy hahatafarina intsony eo imason’ny Malagasy sy ireo mpamatsy vola ity resaka mampandry adrisa ity, ka nilazan’ny mpanao seraseran’ny praiminisitra tamin’ny radio rahavavy iray eto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro eo fa ireo dahalo ireo ihany no nanamboatra ireny akanjo maitso sy satroka hitovian’izy rehetra ireny. Re mantsy fa nanangam-bovona ny Filoha nandritra ny filankevitry ny minisitra raha nanontany an’ny Praiminisitra hoe : iza no nividy ireny akanjo nampanaovina ireny dahalo ireny ? Niboredika teo i Kolo Roger. Asa na noho izay tsy fahombiasan’ny serasera izay no nandraisan’ny Filoha fanapahan-kevitra hanafatra Amerikanina kalaza, Edouardo Cue hanatsaratsara azy, indrindra ny seraserany. Tsy nety angaha ity maitsoben’ny dahalo niova fo, fa tokony ho lanitra mangamanga ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT