Actualités

Serasera tsy nifankahazo Nifamono ny zandary sy ny polisy …


  • Alarobia 08 Mey 2019

Vokatry ny tsy fifankahazoan-dresaka, nifamono ny zandary sy ny polisy, teny amin’ny faritra Alasora.

 

 

Tsy nampoizin’ny olon’ny zandarimariam-pirenena fa mpitandro filaminana ilay polisy. Noheveriny fa jiolahy fahavalony na mpandainga sy mpananihany ka ny fisamborana sy ny daroky ny zandary no tonga aloha. Ireto farany nanatanteraka ny fisafoana, moa ilay polisy lalan’ny hody ny sabotsy alina sahabo tamin’ny 10 ora sy sasany. Marihina fa tsindrimandry hatrany no miainga amin’ireny, indrindra raha jiolahy ka vao tara kely dia mihatra aman’aina.« Resaka tsy fifankahazoana momba ny fiantso ny « Chef de poste » no fototr’olana. Ny polisy sy zandary samy manana « Chef de poste ». Ka raha nanontany ny zandary hoe : « iza ? ». Namaly avy hatrany ilay police hoe : « Chef de poste » fa tsy nasiany tsindrim-peo hoe « chef de poste » ao amin’ny polisy ao Alasora. Ao amin’ny zandary koa misy « chef de poste » ka nampoizin’ny zandary fa mananihany na sanatria jiolahy mpisandoka. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary ary naratra io polisy io”, hoy ny Kaomisera Serge Andriamanalina, tompon’andraikitry ny fampitam-baovao sy ny seraseran’ny polisim-pirenena.

Fandrindrana asa

Voatery nidina teny an-toerana ireo ao amin’ny kaomisaria nandamina. Raha ny loharanom-baovao azo antoka, milamindamina ny toe-draharaha.  Mila fandrindrana asa matotra tahaka ny fomba fiantso azy manokana ireo mpitandro filaminana izay ifanarahany, indrindra anaty haizina mba tsy hipoiran’ny toy izao. Efa im-betsaka no nitranga ny saika fifampitifirana sy fifamonoan’ny polisy sy zandary izay samy manao fisafoana amin’ny alina toy izao, raha ny teto Antananarivo Renivohitra. Vokatry ny serasera tsy mifankahazo, ny mpisafo indray no voasafo. Nefa mila malina hatrany. Fiteny ao amin’ny mpitandro filaminana mantsy rehefa misy tratra amin’ny asan-jiolahy ny naman’izy ireo : “Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay hamarara”. Ahiana vokatr’izany ny jiolahy indray no hampiasa ilay teny miafina na “mot de passe” fampiasan’ny mpitandro filaminana avy amin’ireo nania. Efa samy tofoky ny asan-jiolahy nisesy nandritra ny efa-bolana voalohany koa ireto mpitandro filaminana ireto.

Haja Nirina

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT