Efa mihatsara na dia vao manomboka aza ny vokatra azo eny anivon’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eto an-drenivohitra mikasika ny fampiasana ny teknolojia sy ny serasera.
Araka ny fanazavan-dRakotozafy Ramasy Harisoa lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra tamin’ny mpanao gazety omaly dia ny 100 %-n’ny sekoly eto an-drenivohitra ankehitriny no efa manana adiresy mailaka hahafahany mifandray haingana amin’ireo tompon’andraikitra. Lycée miisa fito amin’ny fito eto an-drenivohitra ihany koa no efa manana tablette miampy ireo CEG efatra amin’ny 15 misy. Mitohy hatrany ny fanentanana mba tsy hahatonga ny sekoly tsirairay avy hatoritory. Tafiditra indrindra tao anatin’izany ny fanamarihana ny andron’ny teknolojia sy ny serasera andiany faharoa notontosaina omaly tetsy amin’ny Lycée Rabearivelo Analakely. Narahina fifampizarana traikefa teo anivon’ireo talen-tsekoly am-polony maro tonga nanatrika ny fotoana. Tonga nanokatra ny hetsika ny dokotera Andriamampandry Todisoa, tale jeneraly iray eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Nantitranteriny fa zava-dehibe ho an’ny fampianarana eto amintsika ny fisian’ny fikirakirana ny teknolojia ezahina hifanaraka amin’ny filan’ny tsirairay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.