Mpianatra mpikaroka momba ny teny sy ny kolontsaina sinoa miisa 55 mianadahy no navoakan’ny Institut Conficius etsy amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly.
Notolorana ny mari-pahaizana “Licence” izy ireto rehefa nahavita fiofanana nandritry ny telo taona. “Mora mahay teny sinoa ny Malagasy”, hoy Rtoa Zo Rasendra, tale Malagasy ao amin’ity ivontoerana ity, ary miaiky izany ireo Sinoa mandalo eto amintsika. Anisan’ny mahafaly ity tompon’andraikitra ity moa ny nilaza fa tsy andrenesana fitarainana momba ny resaka fitsoahan-daharana amin’ny toeram-pianarany any ampitan-dranomasina ireo Malagasy omen’ny ivontoerana vatsim-pianarana hianatra any Sina. Isan-taona dia mandefa mpianatra hanohy fianarana any ny Conficius ary hahatratra 55 izy amin’ity, raha 30 isan-taona. Maro amin’ireo tanora eto amintsika amin’izao fotoana izao no liana amin’ny tenim-pirenena sinoa noho izy be mpampiasa indrindra manerantany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.