Actualités

Serasera an-dranomasina Hohatsaraina mba ho lavitry ny loza


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Tsy maintsy manaraka ny fivoaran’ny teknolojia mifamatotra amin’ny tontolon’ny ranomasina i Madagasikara. Antony ny nizarana ireo manampahaizana manokana ny fahaiza-manao ho an’ ireo Malagasy miasa sy misehatra eny amin’ny ranomasina eo anivon’ny APMF eto Madagasikara.

 

Efa nisy hatrany moa ny fampiofanana ireo teknisianina miserasera amin’ireny ivontoerana mampifandrindra ny fitadiavana sy ny famonjena aina eny an-dranomasina ireny. Mbola nohamafisina izany tamin’ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Hotely Colbert Ananinarenina. Noho ny fandrosoan’ny teknolojia dia afaka mampiasa ny vaovao rehetra ahafahana misoroka ny loza ny teknisianina ary mandrakitra ny antontan-kevitra sy ireo tarehimarika manodidina ny tontolon’ny ranomasina ahafahana manampy ny sambo mivezivezy sy mifamoivoy. Nisy ny fijeren’ireo mpampiofana ny tranga nisy teto Madagasikara ka hanaovaozan’izy ireo tatitra hijerena ny zavatra tokony hohatsaraina sy hifampizarana traikefa. Tamin’izany tatitra izany dia efa nanambara ireo mpampiofana sy  mpanao fanadihadiana fa afa-po tamin’ireo seranan-tsambo 8 nohadihadiana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT