Actualités

Seranan-tsambon’i Toamasina Ny 25 %-n’ny asa fanitarana no efa vita


  • Zoma 15 Martsa 2019

Ny volana aprily 2018 no nametrahana ny vato fehizoro amin’ny asa fanitarana Ny seranan-tsambon’i Toamasina. ankehitriny,

 

 

10 volana aty aoriana, efa hita maso ny fiovana satria NY 25% ny asa no efa vita raha ny nambaran’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny SPAT sy ireo teknisiana japoney avy amin’ny orinasa PENTA Ocean sy DAHIO corporation izay mifarimbona manao ny asa. Ny fanamboarana ilay velaran-tany lehibe mirefy 10 hektara azo avy amin’ny fanotorana ny ampahan-dranomasina ao amin’ny “recif Hastie” no efa an-dalam-pahavitana ankehitriny. Eo no ho atao toeram-panamboarana ireo bolongana “beton” lehibe antsoina hoe “Dolos” miisa 3.400 ary milanja 35 sy 50 taonina isan’isany izay ho ampiasaina hanalavana ny “brise lame” fiarovana ny seranana amin’ny onjan-dranomasina. Raha tsiahivina kely dia nosokajiana ho roa ny asa fanitarana ity seranana ity. Voalohany ny fanotofana ny ranomasina sy ny fanamboarana ny dolos ka any amin’ny faran’ny taona 2020 no kasaina ho vita ny asa. Mpiasa 300 mahery no efa mifarimbona manatanteraka izany ka mponina avy ao Toamasina avokoa ny ankamaroany.Tanjona amin’izao asa fanitarana izao moa  ny ahafahan’i Toamasina mandray ireo sambo mpitondra entana tena vaventy indrindra eran’izao tontolo izao sy hampitomboina ny isan’ireo sambo afaka miara-miantsona eny amin’ny quai. Mahatratra 639 tapitrisa dolara moa ny fampiasam-bola kasaina hanatanterahina ity tetik’asa ity avy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Japoney. Io no fandaniam-bola lehibe indrindra natokana hoan’ny fanamboarana fotodrafitrasa izay natao teto Madagasikara taorian’ny nahazoantsika fahaleovantena.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT