Andiany faharoa ny lavanty ataon’ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 8 oktobra izao, ka ireo entana tsy nisy naka sy tsy nisy mpamoaka tao anatin’ny 75 andro ireto hatao lavanty ireto.
Miisa 169 ireto vondron’entana handalo lavanty ireto ka 40 ny fiarakodia izay mitentina 5 tapitrisa hatramin’ny 50 tapitrisa ariary. Ny Me Hambinintsoa no vadintany sy mpanao lavanty ka ny 8 -10 oktobra izao ny fitsidihana ireo entana eo anivon’ny seranan-tsambo ho an’ireo te-handray anjara. Efa afaka mametraka ny tolo-bidiny ireo mpandray anjara raha mahafeno ny fepetra toy ny antoka atao amin’ny taratasim-bola mitentina 10% ny vidin’ny entana tian’ny olona handraisana anjara. Ny alakamisy 11 oktobra ny fanokafana ny valopy izay ahitana ny vadintany mpanao lavanty, ny ladoany Toamasina, ny orinasa Mictsl sy ny Smmc ary ny antenimieran’ny varotra, ny Bianco, ary solontena miisa 15 avy amin’ireo mpandray anjara amin’ny lavanty. Hiavaka ity lavanty faharoa ity noho ny fisian’ireo kaontenera miisa 40 izay sira misy Ioda izy ireto ka olona na mpandraharaha manokana no afaka mandray anjara amin’ny fanamarihana ny maha mpandraharaha ara-tsira azy. Hiditra lavanty koa ireo kaontenera miisa 5 an’Atoa Rajaonarivelo Pierrot nisy ireo kojakoja nilainy tamin’ny resaka politikany saingy nihitsoka teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina izay mitentina 200.000 ariary araka ny nanaovan’ny ladoany azy. Eo koa ireo kaontenera miisa 14 ahitana taratasy amin’ny fanontana gazety na “Bobine papier journal” izay nataon’ny ladoany mitentina 20 tapitrisa ariary.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.