Actualités

Seranan-tsambon’i Toamasina Nankasitrahan’ny iraisam-pirenena ny fanavaozana


  • Alarobia 05 Novambra 2014

Fankasitrahana roa sosona be izao no azon’ny orinasa seranan-tsambo mahaleotena ara-pitantanan’i Toamasina avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia ny «International Star for Leadership in Quality» avy amin’ny Business Initiative Direction sy ny «The New Era award for Technology, Innovation and Quality» natolotry ny Association Otherways Management and Consulting izay samy manana ny foibeny ao Paris

Manan-danja manokana amin’ireto fikambanana roa vahiny ireto ireo ezaka miavaka misongadina maneran-tany. Voajery ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny kolontsainan’ny kalitao miaraka amin’ny fanatsarana mandavantaonan’ny orinasa ary koa ny fahafaham-pon’ireo mpanjifa. Tombony lehibe amin’ny fisokafan’ireo lalam-baovao eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fahazoana ireo loka roa ireo ho an’ny Tale jeneralin’ny SPAT, Avellin Christian Eddy. Nody ventiny araka izany, ny rano natsakaina hatramin’ny taona 2013 fotoana nanombohana ireo fanavaozana ny tontolon’ny seranan-tsambon’i Toamasina toy ny fanajariana ny toerana fitehirizana entana izay eritreretina hitarina amin’ny velarana 8 hektara. Mbola maro moa ireo asa eritreretina hotanterahina ao anatin’ny drafitra fampandrosoana ny Spat.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT