Tsy misy andraso ny fanatanterahana ny drafitrasa fampandrosoana ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Noporofoin’ireo tompon’andraikitra mpitantana ity orinasa mahaleotenan’ny renivohitra ara-toekarenan’i Madagasikara ity izany tamin’ny fisantarana ny asa tamin’ny taona 2013 ary efa nisy ireo notokanana tamin’ity taona 2014 ity. Efa milamina ny drafitrasa hotanterahana hatramin’ny taona 2035 ka akaiky indrindra amin’izany ny tetikasa 2017 fanorenana toerana fandraisana sambo mitondra mpizahatany sy sambo fitaterana fiarakodia. Vola mitentina 12 tapitrisa euro no ilaina izay hotontosaina amin’ny alalan’ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny tsy miankina araka ny fampanantenan’ny minisitera tompon’andraikitra. Roa taona no eritreretina hamitana ny asa izay vinavinaina hatomboka amin’io taona ho avy 2015 io, hoy ny talen’ny fampiroboroboana sy fanajariana ny seranan-tsambo Ranaivojaona Samuel. Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany amin’ny alalan’ilay zotra fizahantany eto anivon’ny ranomasina Indianina ny fanitarana ny fotodrafitrasa fandraisana olona sy fiarakodia ao amin’ny faritra Atsinanana. Iaraha-mahalala rahateo fa mirona aty amin’ny kaontinanta afrikanina amin’izao taonjato faha-21 izao ny tsenan’ny fiarakodia aziatika ka tanjona ny hanorenana toerana malalaka fitobiana fiarakodia mandavantaona ankoatra ny fampitomboana ho folo avo heny ireo vahiny mpitsidika an’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.