Actualités

Seranam-piaramanidina Miverina amin’ny “Air Mad” ny fikojakojana


  • Sabotsy 12 Novambra 2016

Noho ny fandraisantsika ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia ve sa tena fitsinjovana marina ny hoavin’ny orinasa sy ireo mpiasan’ny Air Madagascar no nahatonga ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny

 

minisiteran’ny Fitaterana nanapa-kevitra hamerina ny lafiny fikirakirana sy fikojakojana rehetra ireo fiaramanidina sy ireo mpandeha miantsona eny amin’ny seranam-piaramanidina ? Fanontaniana ilain’ny mpiasa valiny mazava arahina asa avy hatrany ny fanambarana fampitam-baovao laharana faha-146 2016/MTM/SG nivoaka ny 10 novambra 2016. Dingana manaraka andrasan’ireto farany moa ny fanomezan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ny fankatoavana maharitra taorian’ity toromarika avy amin’ny minisitera mpiahy ity raha ny fanamarihan’ny solontenan’izy ireo omaly teny Analakely. Ankoatra ireo fitaovana sy fatiantoka nosedrain’ny orinasam-pitaterana ana habakabaka tamin’ny fidiran’ny MGH (Madagascar Ground Handling) nisahana ireo andraikitra ireo dia rariny sy hitsiny raha miverina amin’ny asany izy 130 mianadahy noroahina, araka ny fanampim-panazavana nomen’ireo solontenan’ny mpiasa.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT