Voaporofo indray ankehitriny ny mahatonga ny olona maro na teratany na vahiny tsy hisafidy ny sidin’ny kaompania Air Madagascar rehefa ho avy na handao an’i Madagasikara.
Mpandeha iray ny faran’ny herinandro teo no nanaparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera fa nogiazana ny entany sasany ary noterena handoa vola izy, izany hoe noterena hanao kolikoly. Inoana fa tsy izy irery no niharan’ny fanaparam-pahefana tahaka izao fa efa mpandeha maro. Saingy rehefa maika moa dia mety tafaroboka ihany mandoa vola mba hivoahan’ny entan’ny tena. Ao koa ireo tsy sahy miteny mivantana satria sao tojo olana isaky ny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tsy fitiavana hanakiana be fahatany fa tena misy ny zavatra tsy milamina eny Ivato eny. Tsy misy seranana eto ambonin’ny tany ka eo amin’ny “enregistrement” no takiana daholo ny VISA sy ny vola hampiasaina na koa ny fanamarinana ny hotely fandraisam-bahiny. Asan’ireo polisy vahiny hiantranoana mpanao “immigration” izany. Izay no antony mahatonga ny any ampita tsy mampiasa azy izy ireny intsony fa dia atao amin’ny internet avy hatrany ny famandrihana sy ny fisoratana anarana. Fa eto amintsika dia mipetraka ny tsindrio fa lavo ka afaka tsy mandray mpandeha tsotra izao izy ireo. Etsy an-daniny, tahaka ny atao fanahy iniana ny mampilahatra ireo mpandeha ka ahazoana didy antsy kely rehefa maniry hisongona eo amin’ny fanamarinana ny pasipaoro raha vao tonga ianao. Ny lalàna mifehy ny Ladoany moa dia manjavozavo tanteraka. Tsy fantatra hatramin’ny entana azo vidiana sy ny vidin’ny haba amin’izany fa dia izay lazainy dia arahana, raha tsy izay voatazona ny entanao. Mbola resaka hafa ny fahamarinan’ny milima ampiasaina amin’ny fandanjan’entana. Mampametram-panontaniana ihany hoe fa angaha dia tsy misy hevitra amin’ny serasera mihitsy no tsy mba ampahafantarina ny besinimaro ny lalàna mifehy ny eny an-tseranam-piaramanidina ? Inona no zo hananan’ny mpandeha, ary inona no laharana finday azo antsoina rehefa misy antsojay ? Tokony hipetraka mandrakariva ihany koa ny anaran’ireo olona rehetra mandray ny mpandeha mba hanamora ny fitoriana na ny fitarainana.
Tia Tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.