Mandeha be ny resaka ankehitriny fa mety hihemotra ka tsy hanao ilay fifanarahana amin’ny hanomezana seranam-piaramanidin’Ivato sy Nosy be hotantanin’ny orinasa frantsay indray ny fanjakana malagasy.
Noho ny fahasarotan’ny fahazoana vaovao lehibe toy izany moa dia zary lasa miaina ao anatin’ny honohono ny Malagasy. Raha araka ny fantatra aloha dia ny orinasa frantsay ADP sy ny Bouygues no anisan’ireo orinasa efatra nahazo ny tolotra nataon’ny fanjakana saingy tsy nisy ny fifanaovan-tsonia ka izany no mampandeha be ny resaka fa mety hihemotra i Madagasikara. Tsy vao sambany rahateo moa no nisy ny zavatra toy izany. Fehin-kevitra vita sonia aza lavina sy odian-tsy fantatra indray avy eo ka vao mainka fa izany. Taorian’ny namonjen’ny Filoham-pirenena ny fivoriana andiany faha-70 ny firenena mikambana iny sy ny nanomezany valin-teny tsy dia nahafa-po tamin’ny resaka iles éparses dia mitombo hatrany ny fahasorenan’ny Malagasy amin’ny firenena mibodo io tany io ka asa na mety misy ifandraisany amin’izany ity resaka mandeha ity ?
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.