Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Sao dia tokony hakatona mihitsy aloha ?


  • Alarobia 20 Febroary 2019

Mampikolay ny mpandeha na teratany io na vahiny ny zava-misy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Maro ny fitarainana mahakasika kolikoly, fanararaotana, fangalarana entan’ny mpandeha, filam-baniny,…

 

 

 

 Tsy mahafa-po ny tolotra, tahaka ny fisavana maharitra ora maro, ka mihitsoka ao ny mpandeha. Ny fitakiana vola amin’ny endriny samihafa tsy resahina intsony, indrindra fa ho an’ireo olona vao tonga avy any andafy. Ekena fa zava-dehibe ny fanaraha-maso ny olona miditra sy mivezivezy amin’ny seranam-piaramanidina, saingy fanontaniana mipetraka kosa ny hoe fa angaha moa ny olona tonga avy amin’ny fiaramanidina avy any ivelany tsy efa ara-dalàna sy voasava sy voaara-maso vao afaka miditra ny fiaramanidina no mbola pitsopitsony be miteraka fanagiazana na fibodoana entan’olona tsotr’izao ihany no atao ? Mampametra-panontaniana ohatra ny hoe amin’ny “enregistrement” no takiana daholo ny VISA sy ny vola hampiasaina na koa ny fanamarinana ny hotely fandraisam-bahiny. Angaha izany tsy asan’ireo polisy vahiny any amin’ny firenena hiantranoana ? Efa tena lalim-paka ilay fanararaotam-pahefana sy kolikoly, manalabaraka an’i Madagasikara ny zava-mitranga eny amin’io seranam-piaramanidina lehibe indrindra eto io. Sao mety kokoa ny hanakatonana azy ao anatina fotoana voafetra aloha dia ahitsy izay tokony hahitsy ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT