Mba ho fanajana ny mpandeha, voatery tsy maintsy natsahatra ny fisavana ny entan’ny olona vao tonga tamin’ny fiaramanidina.
Nampahafantarin’ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro Atoa Joël Randriamandranto omaly 1 martsa nandritra ny fifanomezana toromarika arak’asa tamin’ireo mpiasan’ny seranam-piaramanidina. Nohazavainy fa ny entan’ny mpandeha dia efa voamarina tsara mialoha ny hiaingany any amin’ny fadin-tseranan’ny firenena iaingana. Notsipihany fa tsy mahasakana ny mpiasan’ny fadin-tseranana hanao ny fisavana lalina ny entana anefa izany raha toa ka ilaina. Nambarany fa mizotra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra eny amin’ny seranam-piaramanidina. Homena ny toromarika feno ny manan-draharaha eny amin’ny seranam-piaramanidina rehefa tafiditra ao. Hapetraka ihany koa ny “cameras” amina toerana maro mba hisorohana ny kolikoly mety hiseho ary hiantohana ny filaminanan’ny mpandeha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.