Tandrevaka! Mpiambina sivily roa no maty nianjeran’ny varavarana teo akaikin’ny “salon
présidentiel”, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny zoma hariva sahabo ho tamin’ny 7 ora tany ho any, noho ny rivotra tanaty orana.
Heverina fa misy andraikitra goavan’ny orinasa iasana sy ny mpandrafitra izao loza izao. Amin’ny maha-efitra fandraisam-pitenenana ho an’ireo vahinin’ny Filohan’ny Andrimpanjakana io toerana io dia tafiditra ao anatin’ny toerana stratejika nefa tsy manara-penitra ny sivily mitazona ilay varavaram-be. Ireto roalahy ireto no lasa sorona noho ny tsirambina izay ahiana nahitan-doza teto amin’ny firenena raha ireo mpanotrona na ny tompon’andraikitra ambony teto amin’ny firenena no tojo ity patsa iray tsy omby vava ity. Amin’ny maha-seranam-piaramanidina iraisam-pirenena an’Ivato, nipariaka vetivety tamin’ny tambazotran- tserasera izany ka ny firenena Malagasy mihitsy no afa-baraka any ivelany, noho izao tandrevaka eo amin’ny vavahady fidirana sy fivoahana maneran-tany izao eto amin’ny Nosy izao. Tsahivina moa fa
amin’ny Ravinala no miantsehatra ireto mpiambina avy amin’ny BIS na “Bip d’intervention service” ireto izay nindaosin’ny fahafatesana. Ny ora-mikija narahina tafiotra be no nampianjera ilay varavaram-be ka nahafaty azy ireo. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena, vao nandre ny antso mikasika ny fianjeran’io varavarambe io ny zandary miasa eo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, niezaka ny hamonjy azy ireo kanefa efa naratra mafy samy teo amin’ny lohany izy ireo no tratrany. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboan’ny BANI Ivato ireto niharan-doza ireto, saingy efa namoy ny ainy tamin’ny fotoanan’ny loza izy ireo raha ny fanambaran’ny mpitsabo teo an-toerana. Noho ny loza teo amin’ny asa, miandrandra ny fisitrahany ny zony ny fianakavian’i Tiandrazana sy Jean Paul Ramaroson izay niharam-boina.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.