Nahitana tranga ahiana ho Coronavirus teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly, raha ny loharanom-baovao. Andrasana izay mety ho fanazavana ofisialy, fa raha ny loharanom-baovao tsy ofisialy,
dia nisy mpandeha iray tonga tamin’ny zotran’ny sidina kaompania vahiny avy any amina Nosy iray aty amin’ny ranomasimbe Indianina omaly maraina. Namay be izy vao nidina nidina ny fiaramanidina, raha ny vaovao azo. Nalefa eny amin’ny hopitaly lehibe iray eny Antananarivo Atsimondrano, raha ny voalazan’io loharanom-baovao io. Efa nalefa natoka-monina avy hatrany ihany koa ireo mpandeha izay vao tonga avy any Chine ary arahi-maso akaiky mandritra ny 14 andro raha ny fanapahan-kevitra efa noraisin'ny fitondram-panjakana. Tranga iray tena ahiana kosa ity iray vaovao ity. Tsy tena niresaka sy nanome vaovao mazava momba ity ny tompon'andraiki-panjakana. Nitarika fivoriana teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato moa ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly maraina, izay naharitra ora maromaromaro.Nijerena ny fahavononan’ny firenentsika hiatrika an’izay zavatra mety hitranga mahakasika io valanaretina io. Nitsidika ireo lamina napetraka amin’ny fanaraha-maso sy ny fandraisana ny marary raha sanatria ka tonga eto amintsika izany. Nanotrona azy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny minisitry ny Fitaterana, ny fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr’andro, ny Sekeretera Jeneralin’ny governemanta, ary ny solon-tena maharitry ny OMS eto Madagasikara, sy teknisiana avy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar. Nambaran’ny Praiminisitra fa efa nomena toromarika ny ministera rehetra, fa na eo aza ny fiomanana dia mbola misy tokony hahitsy ny amin’izay zavatra efa voapetraka. Araka izany dia nojerena akaiky ny pitsopitsony rehetra mikasika ny fepetra horaisina amin’ireo seranana manerana an’i Madagasikara, na ho an’ny seranam-piaramanidina izany na ho an’ny seranan-tsambo. Ohatra amin’izany ny toerana hanokanana ny olona izay mety hitondra ny tsimok’aretina, eo ihany koa ny lafiny serasera momba ny tokony hahafantaran’ny vahoaka ny fivoaran’izany aretina izany. Notsipihiny fa tsy mbola tafiditra eto amintsika ny « coronavirus » amin’izao fotoana izao, ary efa vonona tanteraka isika ka afaka manao fitiliana sy mitsabo, noho izany dia tsy tokony hanana ahiahy ny vahoaka. Nohazavainy teo am-pamaranana fa betsaka ny mpandeha mivezivezy avy any ivelany, indrindra ireo mpizaha tany, na efa nahantona aza ny sidina mankany Chine, ka tsy maintsy mailo sy mitandrina isika mba tsy hiverenan’ny zavatra tsy nety teo aloha.
FANENTANANA AVY AMIN’NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Manasa tànana matetika amin’ny rano sy savony; tapenana amin’ny “mouchoir” na lantontsandry ny vava rehefa mikohaka; fadio ny mifampikasoka amin’ireo olona ahiana hitondra ny tsimokaretina; mazotoa mihinana sakafo mampatanjaka betsaka “vitamin C”; Antsoy maimaimpoana ny 910 raha misy tranga mampanahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.