Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato 1Euro raha mila ireo mpitaona entana


  • Zoma 05 Jolay 2019

Taorian’ny fanafoanana ireo mpitatitra entana mangataka "pourboire" be loatra amin'ireo mpandeha dia novaina ny fomba fiasa ao amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato.

 

 Lasa ampandoavina 1€, 1USD na 4 000Ar eny amin'ny kioska ny mpandeha dia afaka miantso azy ireo mba hitaona ny entany. Rehefa tonga eny amin'ny toerana hanaterana azy dia averin'ny mpandeha aminy ny "jeton" ny kioska fa tsy misy vola hafa aloany intsony. Tsy andoavam-bola kosa anefa ny fampiasana ny "chariot" fitateran'entana fa ny olona hantsoina hanampy hanosika na hibata entana ihany no andoavana io vola voalaza io. Mba hanampiana ireo mpitondra entana ho lasa matihanina no anton’io. Mivondrona ao anatin'ny koperativa Coop-Mata mantsy ireo ary araka ny fifanarahana nifanaovany tamin'ny Ravinala Airports sy ny minisiteran'ny fitaterana dia omena kioska, fanamiana ary “badge” famantarana sy ahafahany miasa izy ireo.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT