Actualités

Sendikan’ny Mpiasan’ny JIRAMA Tsy manaiky ny fandroahana tsy ara-drariny


  • Zoma 28 Desambra 2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Hotely Sokhotel Antsakaviro ny Sendikan’ny Mpiasan’ny JIRAMA eto Madagasikara (SEMM) omaly alakamisy 27 desambra.

 


 Toherin’izy ireo hatramin’ny farany ny fikasana an-kolaka na mivantana hisitahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny orinasa JIRAMA (privatisation). Tokony ho hisy hatrany hoy izy ireo ny fiarovana ny mpiara-miasa sy ny orinasa ary nanaitra ny mpitantana izy ireo ny handoavana hatrany ny vola amin’ny ora ambonin’ny mpiasa rehefa miasa tsy fiasana. Ankoatr’izay dia manohitra tanteraka ny fandroahana tsy ara-drariny mahazo ny mpiara-miasa izy ireo ary mametraka ny tokony hanajana ny fifanarahana iombonana (convention collective). Nilaza moa izy ireo fa efa nisy hatrany ny taratasy napetraka eny amin’ny inspektoran’ny asa sy ny fitsarana satria tsy voahaja mihitsy ny rafitra rehefa misy hadisoana fa fandroahana avy hatrany foana no mahazo ny mpiasa. Manoloana ny fivarotana fatiantoka ataon’ny orinasa JIRAMA kosa dia miantso sy manaitra ny mpitondra vaovao izay hitantan ny firenena izy ireo hamaha io olana io vao vantany mandray ny fahefana eo mba ho fanalàna ny ahiahin’ny mpiasa sy ho fitazomana hatrany ny kalitaon’ny asa atolotra ny mpanjifa.

 

Tsara ho marihana fa efa ho roa volana izao no tsy nanao fitsirihana ny kaonteran-jiro sy rano eny amin’ny mpanjifa intsony ny mpiasan’ny Jirama mpitsidika tokantrano amina faritra maro eto an-drenivohitra fa tonga dia manatitra faktiora fotsiny .Nanambara  ireo mpiasa nanontaniana fa ny fahasahiranana noho ny fandaminana anatiny eo anivon’ny Jirama no nahatonga izany.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT