Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly alakamisy 9 mey tetsy amin’ny Hotely Le Pave Antaninarenina ny vokatry ny fifidianana nokarakarain’ny Komity mikarakara izany eo anivon’ny fadin-tseranana (KOMIFIDOU) tamin’ny 26 aprily 2019 lasa teo.
Lany ho filoha hitarika ny Birao maharitra indray ny filohan’ny SEndikan’ny MPIasan’ny Fadin-tseranana (SEMPIDOU) teo aloha Andrianavalona Ramanambola Herizo. Tamin’ireo mpifidy nisoratra anarana miisa 1225 dia 850 no nandatsa-bato tamin’ny Birao fandatsaham-bato miisa 20 manerana an’i Madagasikara ka ny 807 no nifidy azy izay manome taha 94, 94%. Ankoatr’izay dia saika tafaverina avokoa ny ankamaroan’ireo birao nitantana teo aloha. Nanambara ny filoha voafidy fa nangarahara sy eken’ny rehetra izao valiny izao ary matoa hoy izy tafaverina soamantsara dia mbola ao ny fahatokisana apetraky ny mpiasa rehetra. Noho izany dia tsy handraraka ilo mby an-doha ny andraikitra sahanina ny tenako mba ho tombontsoan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana rehetra. Nanafatra sahady ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola izy mba handray lesona ary tsy hamerina intsony ny fanaon’ny teo aloha izay nanakatom-baravarana ary tsy nety nifanakalo hevitra tamin’ny mpiasa ka niteraka ireny grevy lavareny ireny. Etsy an-daniny, nitaky sahady ny hijerena ireo mpiara-miasa tapaka tambin-karama tamin’ny volana aogositra sy septambra noho ny tolona natao ny filohan’ny SEMPIDOU.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.